Toy ny fanao isan-taona, araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana Fjkm Rangaina Fihobiana, dia hatao ny alahady ho avy izao ny fanaterana ny voka-dehibe eo anivon’ity fiangonana ity. Ny vola ho azo amin’izao, raha ny fanazavàna hatrany dia entina hanantanterahana ny ezaka lehibe izay hotratrarin’ny fiangonana ho fanatsaràna izany tranon’Andriamanitra izany. Anisan’izany ny fanatsaràna ny trano vadim-piangonana ary ny ezaka toeram-pidiovana manara-penitra eny an-toerana. Manantena ny rehetra araka izany izy ireo, indrindra fa ireo zanaka am-pielezana sy ireo kristianina nahita fahasoavana tao amin’io fiangonana io fa mba ho tonga eny an-toerana. Toy ny mahazatra dia atomboka amin’ny fotoam-pivavahana ny fotoana, amin’ny sivy ora sy sasany. Ao anatin’izany ny fanaterana ireo valopim-bokatra izay efa nozaraina tamin’ireo mpino ary hofaranana amin’ny lavantim-bokatra, izay hatao eny Rangaina ihany, raha ny fampahafantarana azo tamin’ireo tompon’andraikitra.
Nangonin’i m.L