Nisehoana fitsaram-bahoaka indray tany amin’iny distrika Bealalana iny ny talata lasa teo. Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Marcel, araka ny tatitry ny zandary, no namoy ny ainy, rehefa niharan’ny hatezeram-bahoaka tao amin’ny tananan’Ambatosia, kaominina ao ihany. Voalaza teo mantsy fa hoe mpiray tsikombakomba tamin’ny dahalo ity lehilahy ity. Nosamborin’ny vahoaka ary izao namoy ny ainy izao no niafaràny. Raha ny fanazavàna azo dia nitrangana fanafihan-dahalo ary nahaverezana omby am-polony tao amin’iny tanana iray antsoina hoe Ambalabe Mafana, any amin’ny kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealalana talohan’io. Niezaka nanaraka teo ny fokonolona saingy tsy tratra ireo dahalo. Nandeha teo ny resaka ary noahiahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo dahalo nanafika ity lehilahy ity. Nakany an-toerana avy hatrany ireo fokonolona ary nandeha nisambotra azy. Tsy nisy fampandrenesana ny tompon’andraikitry ny filaminana akory teo. Niharan’ny daroka sy ny vono teo ity lehilahy ity ary tsy namelan’ireto fokonolona raha tsy maty. Taorian’izay dia nampandre ny zandary tany an-toerana izy ireo ny amin’iny fisian’ireo olona noahiahiana io ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Raha vao nahare izany moa ireo zandary, niaraka tamin’iny mpitsabo tao an-toerana dia nidina haingana tany amin’iny toerana nisy ilay fitsaram-bahoaka saingy efa vatana mangatsiakan’ilay lehilahy sisa hitan’izy ireo. Nanamarina ny fahafatesany rahateo ireo mpitsabo.
Efa maro ireo fanentanana isan-karazany ataon’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena ny amin’ity resaka fitsaram-bahoaka ity, nandritra ireny fotoana nampivaivay ity tranga ity ireny. Somary nangingina anefa teo io zavatra izao ary dia izao mitady hiverina izao indray. Ny tena loza mantsy dia mety ho ahiahy fotsiny ihany na tondro molotry ny fiaraha-monina dia mety hanefa hatramin’ny ain-dehibe.
m.L