Miverina mafampana sy mahazo laka indray tato ho ato ny asan-dahalo misesisesy any amin’ny Distrikan’i Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, ka miraviravy tanana tanteraka ny mponina any an-toerana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy. Omaly naraina, tokony ho tamin’ny dimy ora, dia dahalo miisa 26 nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao Soanafindra Kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ka voaroba avokoa ny ankamaroan’ny omby tao an-tanàna. Rehefa dify kely ny tanàna ireo mpandroba vao sahy niantso mpitandro filaminana ny olona, ka nandritra ny fanarahan-dia, dia raikitra ny fifadonana teo amin’ny zandary sy ireo malaso. Dahalo iray voalaza fa lehiben’ireo malaso no maty voatifitra, hoy ny tatitra voaray. Tamin’ny ora nahazoana ny vaovao, dia nirefodrefotra ihany koa ny basy tao Ankilizato, ka tompon’omby telo izay tsy nanaiky mora tamin’ny fandrobana ny fananany, fa nanohitra an’ ireo dahalo mpanani-bohitra no naratra mafy voatifitra. Tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, dia efa tonga ao amin’ny hopitaliben’i Namahora Morondava ireo naratra, izay efa nahazo fitsaboana sahaza azy avy.
Eric Manitrisa