Telolahy tamin’ireo dimy voatondro fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ny Ben’ny tanànan’ Ankirihitra, Toto Basile, ny 16 mey lasa teo, no voasambotry ny mpitandro filaminana. Miara-misalahy manao fanadihadiana miaraka an’ireto jiolahy tra-tehaka ny avy ao amin’ny zandary sy ny polisim-pirenena. Rehefa vita moa ny famotorana lalina an’ireo voarohirohy izay voalaza fa mponina avy ao Ankirihitra avokoa, dia hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha, ary mitohy hatrany kosa ny fikarohana ny naman’ ireto jiolahy mbola tsy hita hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha. Tsiahivina fa handeha hamonjy an-janany ao Ambato Boeny ity Ben’ny tanàna rahalahina mpitsara ity, izay voafidy tamin’ny antoko Mapar, no nisy nitifitra sy namira antsy teny an-dalana, ka namoy ny ainy. Ho an’ny fianakavian’ity Ben’ny tanàna namoy ny ainy ity, izay nanikitrikitra hatrany, dia fanadiovana ny fitantanana tao amin’ny Kaominina noho ny fanodinkodinam-bola nisy nataon’ny mpiara-miasa taminy no antony namonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny havan’izy ireo fa tsy resaka politika izany, araka ny niheveran’ny besinimaro azy tany am-boalohany.
Eric Manitrisa