- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Garazy iray sy fiara efatra ary « chambres » enina,...

Toamasina : Garazy iray sy fiara efatra ary « chambres » enina, kila forehitra

Hatairana ny an’ireo mpivarotra sy ireo mponina mipetraka manodidina  ny tobin-tsolika “Shell” tao amin’ny “gare routière” Tanambao V, ny alakamisy maraim-be tokony ho tamin’ny 5ora, raha nahita firehetana avy hatrany dia niredareda be. Haingana rahateo ny fiitaran’ny afo noho ireo trano manodidina vita amin’ny  fitaovana mora mirehitra tahaka ny ravim-pontsy sy hazo ary volotsangana. Vokany : trano maromaro no may kila forehitra,  isan’izany ilay gazary fanamboarana fiara sy ireo fiara efatra tao anatiny, ireo tranon-dopy enina tsy lavitra teo ;  izay manana efitra 37 ao amin’ity fiantsonan’ny taksibrosy eto Toamasina ity. May  noho izany koa ny « transformateur » -n’ny Jirama, ”, teo ambonin’ilay garazy may niandohan’ny afo, izay miteraka fahatapahan’ny herinaratra ho an’ireo tokantrano manodidina ny “gare routière”. Mifamahofaho ny vaovao azo mikasika ny tena antony niteraka ny fahamaizana sy hain-trano izao; ao ireo fianakaviana may trano sy ireo mponina manodidina milaza, fa ny tselatr’afo naterak’ ilay fitselaran’ilay “transformateur” teo ambonin’ilay garazy fanamboarana fiara nilatsaka teo ambon’ilay tafo vita amin’ny ravimpontsy (ravinala) no teraka ny firehetana. Mijoro ho vavolombelona ireto may trano sy ny mponina manodidina, fa efa fanaon’ity “transformateur” ity io mitselatselatra io, nefa izao izy  nitera-doza izao. Eo koa anefa ireo mponina hafa, milaza fa avy tao amin’ilay tranondopy tsy lavitra ity garazy ity no niatomboka ny afo noho ny labozia tsy maty, ka izao niitatra izao noho ireo trano manodidina mora mirehitra avokoa. Ho an’ny Jirama kosa, dia nilaza izy ireo fa tsy misy hidirana izao tranga na fahamaizana trano izao, satria na te-hanarina ny fitaovana aza ny Jirama, dia tsy afaka manao izany noho ilay andrin-jiro misy ilay “transformateur” ao an-tokotanin’olona sy tafiditra amin’ny tranon’izy ireo mihitsy. Na izany aza dia hanao ezaka ny Jirama hamerina ny herinaratra ho an’ireo faritra tapaka, sy hanolo haingana ny fitaovana may. Naharitra ora roa ny famonoana ny afo nataon’ireo mpiasa sy ny fiaran’ny kaominina  roa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici