Nitrangana fanafihana maherivaika indray tao amin’ny distrikan’i Betafo. Andian-jiolahy tsy latsaky ny 30 mirongo fiadiana no nanao ny fanafihana. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Tarahasina, kaominina Antsoso, distrikan’i Betafo, no nisehoan’ny fanafihana ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina no nanao bemiditra ny tanàna ny jiolahy. Avy hatrany dia nitabataba sy nihorakoraka sy nanapoaka basy nentina nandemena ny mponina tsy hisy hivoaka. Nanaram-po ireo jiolahy noho izany nandroba fananan’olona. Tokan-tranona mpivarotra iray no lasibatra tamin’io. Araka ny fantatra dia isan’ny manan-katao eo amin’ilay tanàna io voatafika io. Trano lehibe misy rihana no misy ity fianakaviana ity, tao ambany rihana no niditra ireo jiolahy rehefa voapitsony ny hidim-baravarana. Rehefa izany dia niezaka namoha ny tao ambony rihana misy ilay fianakaviana izy ireo saingy tsy voavahany fa tsara hidy ny trano. Ny entam-barotra noho izany no tapitra noraofin’ireo jiolahy, izay rehetra zakan’ny tanany. Nataony nadiodio mihitsy ny fivarotana raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Ankoatra izay, dia nisy vola 1 tapitrisa tao amin’io fivarotana io, lasan’ireo jiolahy. Niezaka niantso ny mpitandrao filaminana ny voatafika saingy efa tara ny fahatongavan’ireto farany ka tsy nahita na inona na inona intsony, efa dila ny jiolahy.
Andry N.