- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Dahalo fito maty voatifitra, iray nodoran’ny fokonolona tamin’ny lasantsy

Ambatofinandrahana : Dahalo fito maty voatifitra, iray nodoran’ny fokonolona tamin’ny lasantsy

Saika efa ho isanandro, dia andrenesana sy ahazoam-baovao hatrany mahakasika ny fanafihan-dahalo any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny sivy ora, fokontany telo any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mandrosonoro no lasibatry ny dahalo 80 lahy nitam-piadiana. Nandritra ny fanafihana, olon-tsotra iray tao an-tanànan’ Ambararata no lavon’ny balan’ ireo malaso. Nandritra ny fifandonana, dia dahalo miisa fito kosa no maty voatifitry ny Zandary. Araka ny tati-baovao voaray, dia nentin’ireo dahalo nandositra ny fatin’ny namany miisa enina sy ireo malaso naratra. Ny razana iray tavela kosa nalain’ny fokonolona naseho vahoaka, ary nodorana tamin’ny lasantsy avy eo. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby rehetra nangalarin’ireo dahalo. Araka ny vaovao farany voaray omaly, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia nandefa taratasy fa ho avy hanafika indray an’i Mandrosonoro ireo dahalo, ary hamaly faty ireo naman’izy ireo maty voatifitra, ka mihorohoro fatratra ny mponina mandry andriram-basy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici