Taorian’ny fahatratrarana an’ ireo sokatra 10.196 isa, tao amin’ny fokontany Toby Betela Toliara, ny 10 aprily lasa teo, sy taorian’ny fangalarana sokatra miisa 352, tao amin’ny tananàn’ny sokatra tany Mangily, distrikan’i Toliara II, ny zoma 11 mey 2018, dia olona dimy voasaringotra amin’ity raharaha fanondranana sokatra an-tsokotsoko sy trafikana sokatra ity no naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara amin’izao, ka sinoa ny roa ary mbola misy hafa karohina. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tompon’andraikitra mandray an-tanana ny famotorana dia tsy tafiditra amin’ity afera maloto mamohetra ity kosa ireo sinoa ao amin’ny orinasa China Railways manambotra ny RN9, araka ny fanaratsiana sy tsaho aelin’ny sasany amin’ny tambajotran-tseratsera milaza fa mpanao trafikana sokatra ireto kely maso mpanamboatra lalana. Raha ny fantatra araka ny fanazavana voaray hatrany, dia avy any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Itampolo sy Androka, distrikan’ Ampanihy Andrefana, ireo sokatra sarona.
Eric Manitrisa