- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFanakanan-dàlana teny Beravina : “Chauffeur guide” maty voatifitra, zandary efatra naratra

Fanakanan-dàlana teny Beravina : “Chauffeur guide” maty voatifitra, zandary efatra naratra

Tsy amin’ny alina akory, fa amin’ny roa ora tolakandro no nirefodrefotra ny basy. Nisy dahalo nanakana ny fiara tsy mataho-dàlana; izay nofain’ny orinasa iray hitatitra ny mpiasany. Efa nipetraka avokoa ny arofenitra rehetra tamin’io zoma io ary isan’izany ny fitondrana zandary roa mba hiambina ny mpandeha. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Beravina, ao anatin’ny làlam-pirenena mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano no raikitra ny tifitra nataon’ny dahalo. Voa ny mpamily izay sady mpamily mpitari-dàlana koa matetika rehefa mpizahatany no entina ary nitarika ny fahafatesany avy hatrany ny tifitra variraraka nataon’ireo dahalo. Nivadibadika tany amin’ny hantsana, tokony ho 80 metatra tany ambany, ny fiara vokatr’izany ary naratra koa ireo zandary roa tao anatiny. Nanatona hatrany ny dahalo rehefa hitany fa voa mafy ny fiara sy ny olona tao anatiny. Ireo zandary kosa dia niezaka niaro hatramin’ny farany ny olona ary dia nitohy teo ny fifampitifirana; izay niafara tamin’ny fitsoahan’ny olon-dratsy, raha araka ny tatitry ny zandary. Fiara 4X4  telo, tamin’io andro io no nifanaraka. Vokatry ny vovoka nitorajofo tamin’ny làlan-tany anefa dia tsy tsikaritr’ilay fiara faharoa ny zava-nitranga tany aloha, dia ny sakana sy ny fivarinan’ny fiara tany anaty hantsana be. Ilay fiara fahatelo koa dia mbola notifirin’ireo jiolahy ary voan’ny bala koa ny zandary roa hafa tao anatiny. Io koa dia mbola tifitifitra ny tohiny. Niady mafy ireo zandary efatra mba hampitsoaka ireo olon-dratsy ary mba nijanona ihany ny poa-basy. Nampakarina aty an-dRenivohitra ny razana ary ireo zandary efatra naratran’ny bala sy ny fivadihan’ny fiara koa dia nalefa notsaboina ao amin’ny hopitaly miaramila. Nitaraina avy hatrany ny fikambanan’ny mpandraharahan’ny mpizahatany, indrindra fa ireo mpamily sy mpamily mpitari-dàlana ny amin’ny tokony hanamafisana haingana ny fandriampahalemana amin’ny làlam-pirenena. Anatin’ny fahatongavan’ny mpizahatany maro (haute saison touristique) mantsy izao vanim-potoana izao, hany ka mety hanimba io sehatra io, raha toa ka mitohitohy ny tsy fandriampahalemana; izay mety hahazo azy ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici