Omby halatra 41 no azo, basy fihazana “caliber 12” ankitelo no tratra, ary dahalo 4 no tsy ho afa-mandrava intsony taorian’ny fifandonan’ireto farany tamin’ny zandary avy ao amin’ny Kaompania Tsiroanomandidy, notarihin’ny Komandin’ny Kaompania tany amin’ny toerana atao hoe Andrafia, fokontany Mahazoarivo, CR Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 8 jona 2018 tamin’ny 6 ora hariva.
Rehefa nahazo vaovao mahakasika ny toerana fanafenan’ny dahalo ireo omby halatra ny Zandarimariam-pirenena (ZP) tao amin’ny renivohitr’i Bongolava io andro io, dia nidina avy hatrany tany an-toerana. Mbola lavidavitra ny faritra farany tongan’ny fiara ilay toerana voalaza ka mbola nisy ny dia an-tongotra adiny 2 teo ho eo ka tamin’ny 6 hariva vao tafiditra tao ireo zandary. Vao tsikaritr’ireo dahalo mpiambina izany faritra izany anefa ny fahatongavan’izy ireo, dia efa tifitra no nitsenany azy ireo ka velona ny fifandonana. Nafana ny fifampitifirana, satria ireo dahalo tsy vitan’ny hoe maro fa sady mahafehy ny toerana, ny andro koa efa mihamaizina rahateo. Tsy nihemotra anefa ireo mahery fo ireo fa nifanome tànana hatrany ka ireo jiolahy no voatery nihemotra tsikelikely niala ny faritra ambenany, indrindra rehefa nahatsikaritra izy ireo fa efa manomboka misy lavo ireo dahalo lehibeny. Nisy moa ny nikasa haka ny basin’ireo lavo, saingy tsy tafahoatra ny toerana nisy azy noho ny paik’ady tsara petraka nataon’ny Kapiteny Rasolondraibe Florent mpitarika ireo zandary ireo ka voatery tsy maintsy nihemotra na nandositra mihitsy.
Rehefa tafaporitsaka tao anaty haizina tany anaty kirihitr’ala ireo jiolahy, dia nangonin’ny zandary sy ireo mpitari-dalana azy ireo ny omby ka nahatratra 41 ny isany. Teo koa no nahitana, fa lavo nandritra ny fifandonana ny 4 tamin’ireo dahalo ka ny 3 tamin’izy ireo dia lehiben’ny dahalo efa nokarohana hatry ny ela, satria isan’ny nahafaty zandary tamin’ny volana septambra taona 2017 lasa teo sy miaramilan’ny DAS tamin’ny fiatombohan’ny taona 2017, tao Bemahatazana.
T.M.