- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mandrahona ny hanakatona sekoly, mitokona tsy mety hampianatra ireo mpampianatra

Maevatanàna : Mandrahona ny hanakatona sekoly, mitokona tsy mety hampianatra ireo mpampianatra

Tsy hampianatra ny mpampianatra amin’ny fitakiana ny zony ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny CNM, AVMM, SEMPAMA, S3MF.  Efa iray volana lasa izay no nitokona ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana  ato amin’ny Cisco Maevatanàna, ary tsy nianatra ihany koa ny mpianatra nandritra izany. Niverina nanao fanambarana indray izy ireo ny zoma 8 Jona maraina, tetsy amin’ny kianjan’ny sivifolo Ariary eny amin’ny Lyceé Maevatanàna fa hiara-mientana amin’ireo mpampianatra ao anatin’ny sendika manerana ny nosy hanao fitakiana, ary manainga ny mpampianatra mba tsy hampianatra fa hitokona tsy hiasa manadram-pahitana ny marina. Nambaran’ny  Atoa Andrianirina Alfa, izay solotenan’ny AVMM : (Aingavao hoan’ny Mpanabe eto Maevatanàna) sy ny CNM (Collectif Normalien de Madagasikara) hatrany  fa hihamafy ny fitakiana raha tsy mivaha ny olana izay mianjady amin’izy ireo, ary hampitsahatra an’ireo mpampianatra izay mbola mampianatra sy izay manohy ny asany. Ny zofototra amin’ny maha mpampianatra no araraotin’ireo mpampianatra ireo, hoy kosa ny fanazavana nataon’Atoa R.Victor mpitarika ny S3FM na Sendikan’ny Mpanabe ao amin’ny fampianarana Tetikasa ny Fampianarana Arak’asa eto Maevatanàna raha nitafa taminay teny an-toerana. Mangataka amin’Atoa  praiminisitra Ntsay Christian ihany ko izy ireo mba tsy hiverenan’ny minisitra teo aloha amin’ny toerany teo aloha intsony, ary tokony olona avy amin’ny sendikan’ny fampianarana izay malala tsara ny aretina mikasika ny fampianarana no tokony eo amin’ny toerany,  fa raha tsy izany dia mitohy hatrany ny fitokonana na filanjana sorabaventy. Satria efa ela no nisian’ny fitakiana tamin’io minisiteran’ny fanabeazam-pirenena io, saingy tsy nisy vahaolana noraisiny mihitsy. Takiana ny fampiharana ny «  Loi de Finance 2018 » 15,6. Ary takiana ihany koa ny fanalana ireo tompon’andraikitra ato amin’ny DREN sy ny CISCO aty an-toerana.  Mangataka ny fampiakarana ny karaman’ny mpampianatra amin’ny ankapobeany, ny tambim-karama eo amin’ny hofa-trano, hoy kosa Atoa Rakotondranaivo Fenosoa Mevarivo Gilbert solotenan’ny SEMPAMA nitondran’ny fanazavana taminay. Takian’izy ireo koa ny fampitoviana ny karaman’ny samy mpiasam-panjakana, tsy ekena ny karama vary masaka. Navohitran’ny mpitarika ny tolona eto Maevatanàna, hatrany fa ny mpampianatra no tena miasa mafy,indrindra fa ny mamolavola ny mpianatra ho olom-banona. Tsy arak’izany hoy izy ireo ny zava-misy ankehitriny fa ny mpampianatra no tena ambany karama sy tsy voakarakara. Manoloana izany dia, manahy ny amin’ny fianaran-janany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra izay sendra tafaresaka taminay, hanao ahoana hoy izy ireo ny fanadiana ara-panjakana raha toa ka tsy misy vahaolana izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici