- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversLalana Vatomandry – Antanambao : Hisy ny fanatsarana ilay lalan-tany 35km mampijaly...

Lalana Vatomandry – Antanambao : Hisy ny fanatsarana ilay lalan-tany 35km mampijaly vahoaka

Efa vonona ao Vatomandry ireo fitaovana entina hanatsarana ilay lalan-tany mampitohy ny distrikan’i Vatomandry amin’ny kaominina Antanambao Mahatsara mirefy 35Km. Tena olana goavana ho an’ny mponina ny fampiasana azy amin’ny faharatsiany, nefa tanana mamokatra ity kaominina Antanambao Mahatsara ity. Nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena tao amin’ny kaominin’i Niarovana Carolina, distrikan’i Vatomandry, ny zoma teo, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny CNSS na Tahiry Manokana ho Fitsinjovana ara-Pahasalaman’ny Mponina, no nanambarany fa hatomboka amin’ity herinandro ity ny fanamboarana ity lalana ity ka nisy ny fanoloran’ny filoha vola 10 tapitrisa ariary ho fanampiana ny fividiana solika amin’ny fampiasana ny fitaovan’ny Bngrc hisahana ny fanatsarana ny lalana. Ankilan’izany koa dia hisy koa tsy ho ela ny fanatsarana ny lalan-tany mampitohy ny kamonin’Ikala atsinanana sy ny kaominin’Antanambao Manampontsy, lalana mirefy 45Km eo monja nefa dia ataon’ny fiara be tsy mataho-dalana ao anatin’ny tapak’andro manindritra. Ankoatra izay dia nandritra ity fandalovan’ny filoham-pirenena tao Niarovana Caroline ity ihany koa no namoahana ireo andiana tanora niofana momba ny fambolena sy ny fiompiana samy hafa teo anivon’ny ivon-toerana FTM, na Fampiofanana Tantsaha Modely ao an-toerana, ka 88 mianadahy izy ireo no nahavita izany fiofanana izany, ka nomena ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany. Nisy koa ny fanolorana azy ireo masomboly voafantina hahafahan’izy ireo mihetsika avy hatrany, ka masomboly ara-bary milanja 882kgs sy masomboly legioma samihafa, ary fitaovana mifandraika amin’izany hahafahan’izy ireo miasa ihany koa. Efa vonona ihany koa ao anatin’izany ny tany mirefy 7.000ha azon’izy ireo ampiasaina, ka isan’ny tena hampiasana izany ny fambolena ny katsaka. Efa betsaka ny mpiara-miombona antoka amin’iny kaominina manampy azy ireo sy mividy mivantana ny vokatry ny tantsaha am-potony…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici