Lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa no niseho teny Alakamisy Fenoarivo, ny sabotsy lasa teo. Moto iray no fantatra fa nandona mpandeha an-tongotra. Maratra mafy ihany koa ity olona voadona ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa toa hoe vokatry ny tsy fitandremana no nahatonga izao loza izao. Raha atambatra izany, dia nahatratra hatrany amin’ny dimy any ny loza nandratrana sy nahafatesan olona nanomboka ny faran’ny herinandro ka hatramin’ny omaly.
r.s.