- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Tovolahy mamon-drongony, nokapainy tamin’ny famaky ny lohan-drainy

Marovoay : Tovolahy mamon-drongony, nokapainy tamin’ny famaky ny lohan-drainy

Tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny rafi-piarahamonina misy, ka lasa tena mihabiby toetra ny olona sasany ankehitriny. Reny mamono zanaka, lehilahy mandatsak’aina vady andefimandriny, fa tovolahy iray tsy salama saina voalaza fa mamon-drongony kosa no namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny rainy niteraka azy, tamin’ny alalan’ny kapa famaky teo amin’ny lohany, tany Ambovomavo Distrikan’i Marovoay. Maty teo no eo ity raim-pianakaviana nihosin-drà ity, ary mbola tavela teo an-dohany ny famaky namonoan-janany azy. Voasambotra ny nahavanon-doza, ary saika nodoran’olona velona tamin’ny kodiarana, kanefa nandrara izany fomba mamohetra izany ny olombe teo an-tanàna. Natolotra ny manam-pahefana ilay tovolahy nandatsaka ny ain-drainy, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika amin’izao miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray, dia hananan-janany vola telo arivo Ariary ity rainy. Nitaky izany ilay tovolahy kanefa nilaza ho tsy nanana ity raim-pianakaviana, ka rafitra ny ady sy fifamaliana teo amin’izy mianaka, ary rehefa natory antoandro naka aina teo am-pandriany ity lehilahy namoy ny ainy ity, dia nokapain-janany tamin’ny famaky.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici