- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Roalahy nahatratrarana vola sandoka 3,9 tapitrisa ariary

Manakara : Roalahy nahatratrarana vola sandoka 3,9 tapitrisa ariary

Efa am-bolana maro  dia mirongatra toa tsy misy fanafana ny fiparitahan’ny vola sandoka any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ny fiandohan’ity herinandro ity dia roalahy mpanaparitaka sy mpanamboatra vola sandoka iray alina ariary no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Ambahatrazo sy Ambila gara, any amin’ny distrikan’i Manakara. Vola sandoka nitentina 3,9 tapitrisa ariary no sarona tamin’izy ireo taorian’ny fisamboana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana dia aparitak’izy mirahalahy mpiray tampo ireto sy dioviny eran’ny tsena sy ireo toearam-pivarotana samihafa any ambanivolo any ireto vola sandoka ireto. Taorian’ny fitarainana nisesisesy azon’ny mpitandro filaminana no niaingan’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Vokatry ny fiaraha-miasa matotra tamina olona tsara sitrapo no nahavoasambotra azy roalahy ireto. Natolotra ny fitsarana ireto farany taorian’ny famotorana lalina tsy maintsy natao azy ireo.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser