- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmboabary-Ambalajia : Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo, olona roa maty.

Amboabary-Ambalajia : Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo, olona roa maty.

Tanàna iray  ao amin’ny fokontany Amboabary, kaominina Ambalajia, disitrikan’i Maevatanàna no notafihan’ny dahalo, ny alin’ny Alahady lasa teo. Dahalo 40 lahy nirongo basim-borona folo no nanafika tamin’io. Sady nandroba ny omby izy ireo no nanapoaka ny basy hatrany. Vokany : omby dimy vala no lasan’ireo dahalo. Tsy niandry ela ny fokonolona sy ireo jamà mpiandry tanàna roa lahy fa raha vao tafavoaka ny tanàna ireo mpanafika dia nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Tsy lasa lavitra dia nifankatratra tamin’ireo dahalo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokany : olona roa no maty tsy tra-drano nandritra izany, ary azon’ireo dahalo ihany koa ny basim-borina roa nampiasan’izy ireo. Tsy nisy azo kosa ny omby, ka mbola mitohy hatrany ny fanarahan-dia ataon’ireo jamà sy ny vatan-dehilahy sasany, raha nanatitra ny razana teny Amboabary kosa ireo olona ambiny.

 Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici