Efa ho herinandro izao no nakan’olona an-keriny an’i “Zouzou” teo am-bavahadin’ny tranony tao Salazamay avaratra, nefa mbola tsy misy fitakiana vola amin’ireo fianakaviany hatrany ataon’ireo mpaka an-keriny azy. Tsy fantatra ny antony na noho ny mbola fahamailona be ho an’ireo andian-jiolahy ireo, na atao izay hahatara ny fangataham-bola mba hahalafo kokoa ny vidin’ny ainy amin’ireo fianakaviany diso mitaintana lava. Na izany aza anefa mitohy hatrany ny fikarohan’ireo mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha, sy ny angom-baovao azo mikasika ity fakana an-keriny faharoa nahazo ity tera-tany Khoja mpandraharaha no sady zaodahin’ny minisitry ny mponina ankehitriny ity. Fantatra ary izao, fa mitovy fa tsy sahala tamin’ilay tranga na fakana an-keriny tao Morafeno ny taona 2013 ny fizotran’ ity raharaha ity, na zanaka sinoa mpandraharaha mpifankatia aza no lasibatra tamin’izay fotoana izany. Nambaran’ny loharanom-baovao ity hatrany, fa miaramila ny mpiambina ny magazain’ity mpandraharaha ity ao Analamalotra,ka ilay miaramila mpiambina ihany no nitondra andian-jiolahy namaky izany, ny 29 nifoha ny 30 may lasa teo. Mbola miaramila am-perinasa ihany koa ireo mpiambina azy manokana tsy afa-nihetsika, nandritra ny fakana an-keriny azy ny 8 jona lasa teo ihany koa; ary mbola miaramila efa-dahy anaty fanamiana sy nitondra basy koa no tratra nanisa vola 680 Euros teo amin’ilay toerana nahitana ny fiaran’i “Zouzou” tamin’ny tranga na fakana an-keriny ny taona 2013 io. Tamin’ity tranga niseho ny taona 2013 ity, dia nisy mihitsy ny fanafenan-javatra natao tamin’ny fandefasana “mesazy tsiambaratelo” nataon’ny Tafika sy ny Zandary nisahana ny raharaha tamin’izay nanamarina ny zava-nisy sy ny zava-nitranga. Koa ho an’ity loharanom-baovao azo ity, dia tsy lavitra ny zava-nisy ny taona 2013 ireo olona mifaningotra amin’ity fakana an-keriny tera-tany Indiana farany teo ity, ka tokony handray ny fepetra mifanaraka amin’izany ny fanjakana, ary izay fahalalana ny zava-misy izay no antony mampangina tsy manome vaovao ny mpitandro ny filaminana ireo fianakavian’i “Zouzou” satria hivoaka eo avokoa ny marina ka manahy ny ain’ny havany izy ireo vokatr’izany. Ho hita eo anefa ny tohin’ny fikarohana ity tera-tany Indiana sy ny fanadihadiana ity raharaha ity…
Malala Didier