- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse nivadika, ankizy 7 taona maty tsy tra-drano

RN7 : Taxi-brousse nivadika, ankizy 7 taona maty tsy tra-drano

Nampidi-doza indray ny Taxi-brousse Sprinter  tamin’iny lalam-pirenana faha-7 iny ny Alarobia 14 jona teo. Avy any Ambositra  ho aty Antananarivo ity taxi-brousse ity no nivadika rehefa hiditra ny renivohitr’i Vakinankaratra io andro io  tamin’ny 1 ora maraina. Vokany, ankizivavy kely iray 7 taona no namoy ny ainy teo no ho eo. Vehivavy lehibe 50 sy 40 taona kosa no naratra mafy. Potika tanteraka ilan’ilay fiara. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia tombanana ho antony teknika no mety nahatonga ny loza. Làlana mahitsy sy mandalo tanàna io toerana nivadihan’io fiara io. Ity farany izay mety ho nanararaotra ny fahalalahan’ny arabe ny mpamily ka nandeha mafy. Nivoaka ny làlana ary nidaboka tamin’ny ilany havanana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici