- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavy tsy ampy taona, naolana sy bevohokana mpitondra fivavahana

Toliara : Ankizivavy tsy ampy taona, naolana sy bevohokana mpitondra fivavahana

Ankizivavy 14 taona mpianatra kilasy “5ème” voalaza fa voaolana ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo matetika nataona mpitondra fivavahana izay mpiara-miangona aminy ihany no bevohoka dimy volana, ka tsy afaka manohy ny fianarany intsony ankehitriny. Ny kibon-drazazavavy mibontsina no nanaitra ny reniny sy ireo mpiara-mianatra taminy ary ny mpiara-monina, ka rehefa nofotorina lalina ity ajampela ity dia namboraka ny marina rehetra tamin’ny reniny, ary nanondro ny rain’ilay zaza ao an-kibony. Rehefa voamarin’ny mpitsabo nanao fizaham-pahasalamana azy fa bevohoka tokoa ilay zaza, dia natonin’ny ray aman-dreniny avy hatrany ilay mpitondra fivavahana, ary niaiky ity farany fa izy no nahabevohoka ilay zazavavy. Araka ny tati-baovao voaray, dia niangavy mafy nanao raharaham-pihavanana fifanarahana ara-taratasy tamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy ity mpitondra fivavahana ity, ary nanolotra vola telo hetsy Ariary, afak’omaly hariva, no nilaza fa ho raisiny an-tanàna manomboka izao ny momba an-drakalakely rehetra, saingy tsy nanaiky izany fanampena-maso ara-bola izany ny rain’ilay zaza, fa nampiakatra ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici