- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndramasina : Fivarotana voatafika, naratra ny tompon-trano

Andramasina : Fivarotana voatafika, naratra ny tompon-trano

Toeram-pivarotana roa no indray nasesin’ny jiolahy notafihana, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’iny distrika Andramasina iny. Naratra mafy vokatr’izay fanafihana izay ny lehilahy iray, izay tao amin’ireo fivarotana voatafika ireo. Vola an-tapitrisany maro teo ho eo kosa no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny Zandarimariam-pirenena dia tokony ho tamin’ny misasakalina teo ho eo no nanatanterahan’ireto jiolahy mirongo basy ireto ny asa ratsiny. Efa sondrian-tory avokoa ny rehetra tamin’io ora sy fotoana io ka nanararaotra nanao amboletra ny varavarana avy hatrany izy ireo. Ary tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia daroka no nahazo ny tompon-trano, izay vao taitra tampoka tanaty torimasony. Nasain’izy ireo navoaka avy hatrany ny vola sy ireo entana sarobidy tao an-trano. Tsy afa-nanao inona ihany koa tetsy andanin’izay ny voatafika, fa dia nanome izay notakian’ireo mpandroba. Torak’izay hatrany no nataon’izy ireo tamin’ilay mpivarotra iray nifanila teo amin’ity voalohany. Tamin’io fivarotana voalohany dia nahazon’izy ireo vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary, niampy fitaovana elektronika lafo vidy. Tao amin’ilay faharoa kosa dia vola manodidina ny enina hetsy sy iray tapitrisa ariary no lasa niaraka tamin’ny firavaka sarobidy sy fitaovana elektronika. Taorian’izay no lasa nitsoaka ireto mpanafika. Teo ihany koa vao nisy nampandre ny zandary, ary nanatanteraka ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy avy hatrany. Nentina namonjy toeram-pitsaboana kosa tetsy andanin’izay ilay lehilahy naratra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici