Vetivety dia niely ny feo ary nahoraka tao an-tanànan’i Befandriana-Avaratra. Izany dia mahakasika ny fivarotan’ny olom-boafidy iray, dia ny ben’ny tanàna izany, lavanila maitso roa gony ka nisy nilaza ho nahita an’izany ny asabotsy lasa teo. Faran’izay haingana dia nirohotra ny olona nizotra nankeny amin’ny biraon’ny kaominina ary nitokona teo. Koa satria nihanafana ny toe-draharaha ary nanomboka niakatra ny feo, nanahy avy hatrany ny maro fa hivadika fitsaram-bahoaka ny raharaha. Nanapa-kevitra avy hatrany- ny zandary tao an-toerana nyniaro ilay olom-boafidy ary nitondra azy nivoaka tao amin’ny toerana. Tsy ao an-tanàna intsony ilay ben’ny tanàna nanomboka teo ary notazomina any amin’ny toeran-kafa mba ho fanavotana ny ainy. Hatreto dia tsy mbola fantatra ny fahamarinan’ilay niampangana azy ary tsy maintsy mbola hisy fanadihadiana manaraka. Isan’ny noferana tanteraka ny famarotana lavanila maitso ary betsaka aza ny efa nosamborina noho ny fanaovana an’izany. Betsaka koa ireo nifamono ho faty noho ny halatra mifandraika amin’izany. Ary mbola betsaka koa aza ny fitsaram-bahoaka izay nitranga noho ny antony mitovy hatrany. Lafo loatra ny vidin’ny lavanila ary miteraka asan-jiolahy izany. Lasa mifamono ny iray tanàna satria volabe no mihodina faran’izay haingana noho ny halatra sy fanaovana trafika. Izay no isan’ny tsy tantin’ny olona raha tena nitombina tokoa fa niroboka tamin’ny varotra tsy ara-dalàna ny olom-boafidy. Etsy ankilan’izay, maromaro izay zavatra nanjo ny ben’ny tanàna sasany izay tato ho ato. Tsiahivina fa vao tao tamin’ny faran’ny herinandro teo koa no nisy iray hafa izay notifirin’ny jiolahy ary maty tsy tsa-drano.
D.R