- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSoavina : Lehilahy tra-tehaka nisandoka ho dokotera

Soavina : Lehilahy tra-tehaka nisandoka ho dokotera

Efa aina telo no nafoy vao fantatra fa tsy mpitsabo velively ity olona milaza azy ho dokotera teny amin’iny faritra Soavina iny, izay fantatry ny maro amin’ny hoe dokotera Maxim. Ny herinandro lasa teo izy io no voasambotry ny pôlisy tao an-tranony ary niaiky tanteraka ny fisandohana andraikitra nataony. Raha ny zava-nitranga tokoa mantsy, araka ny tatitry ny pôlisy dia zaza telo no nisesy maty sy tsy azo teo am-piterahana rehefa nampiterahan’ity milaza fa mpitsabo ity, ny volana Mey lasa teo. Nahatonga ahiahy teo amin’ireo olona tonga nitsabo tena tao aminy izany tranga izany, ka nahatonga azy ireo hanatona ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahasalamana teny an-toerana. Nilaza teo ity tompon’andraikitra ity fa tsy mahalala velively ny fisian’io dokotera voalaza anarana miasa eo anivon’ny fari-piadidiana hiandraketany. Teo ho no eo ihany dia nametraka fitarainana teny anivon’ny pôlisy ireto mponina. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana, nidina teny an-toerana. « Rehefa nojerena ny taratsasy milaza fa dokotera i Maximin dia hita fa hosoka izany ary torak’izany koa ny fitomboka izay hampiasainy. Taorian’io dia nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity » hoy ny fampitam-baovao. Tamin’iny fanadihadiana natao ity mpisandoka ho dokotera dia fantatra fa mpitsabo mpanampy nivoaka avy tamina sekoly tsy miankina eo 67ha ranamana, ny taona 2016. Nitsiry ho azy aminy anefa ny hevi-dratsy ny hisandoka tanteraka ho mpitsabo. Tamin’ny fisavàna ny tranony, araka ny fanazavàna hatrany no mbola nahitana ambina fanafody marobe sy fitaovana ara-medikaly isan-karazany. Ny faran’ny herinandro teo izy no natolotra ny Fampanoavana, ary nampidirina am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici