Tsy nisy nanam-po ny rehetra, fa olona efa miala aina no nezahina novonjena haingana, rehefa nahita azy nitambotsotra sy nikarainkona . Nisy tamin’ireo sasany aza moa no mbola nihomehy fa nihevitra azy ho olona mamon’ny toaka. Ny Alatsinainy maraina teo no nisehoan’izany tao Mahazoarivo, manoloana ny fiangonana Ste Therèse. Raim-pianakaviana iray avy nividy “éponge tao Atsinanantsena ity maty tampoka ity. Tsy nisy nahafantatra ny tena nahazo azy aloha hatreto, fa araky ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia mbola afaka naka sisiny izy nitondra ny bisikiletany sy ny entana vao avy novidiny. Tampoka teo anefa nitambotsotra ary nianjera moramora teo an-tsisin-dàlana. Nifamonjen’ny olona ilay rangahy nezahina novelomina. Teratany Afrikana roa lahy no nanome vola mpitondra cyclo posy hitondrana azy haingana any amin’ny hopitaly, fihetsika izay mahate-hidera. Fantatra anefa, fa tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory ilay rangahy dia efa tapitra ny ainy. Ireo olona teo amin’ny manodidina, izay mpivarotra no nampirina ny bisikiletany sy ny “éponge” avy novidiny ary nikaroka izay mety ho fianakavian’ilay rangahy eto Antsirabe. Ilay mpivarotra kidoro ao Atsinanantsena no natonin’ireo olona tsara sitra-po ireo, araky ny fanazavany anefa dia nifanojo tamin’ny zanak’ilay rangahy maty izy ireo, ity farany izay nitady azy satria efa fotoana elaela no nialany tao an-tranony, saingy tsy mbola niverina, ary io izy nikaroka azy io. Teo vao nahafantatra ilay zanany, fa efa maty any amin’ny hopitaly ny rainy.
Andry N.