- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fahatapahan-jiro, nitarika fatiantoka ho an’ny mpivarotra

Antsirabe : Fahatapahan-jiro, nitarika fatiantoka ho an’ny mpivarotra

Nampimenomenona ny maro teto Antsirabe ny fahatapahan-jiro ; izay nitranga nanomboka ny Alahady maraina tokony ho tamin’ny 11 ora maraina ary tsy niverina  raha tsy ny Alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 7 ora tany ho any. Efa ho iray andro sy tapany noho izany no tsy nisy herinaratra teto Antsirabe sy ny manodidina. Maro ny zavatra samba, indrindra fa ireo sakafo mila vata fampangatsiahana. Isan’ny nitondra faisana ireo mpanamboatra mofo mamy, io andro io izay marihuana, fa tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny ray. Ankoatr’ izay ny fimenomenonan’ny mpanaraka ny lalao baolina kitra; izay tsy nahita nandritra ny roa andro nisesy. Raha ny fantatra dia fahasimbana andrin-jiro iray goavana tao Sambaina no nahatonga ny fahatapahana lavareny teto Antsirabe, fa tsy “delestage” akory. Lavitra no saro-dalana ny toerana misy an’io andrin-jiro ka izay no nahataraiky ny famerenena haingana ny herinaratra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici