- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA : Ivontoerana “CTHT – CTCP” Toamasina Nahazo famatsiam-bola fito miliara avy...

ATSINANANA : Ivontoerana “CTHT – CTCP” Toamasina Nahazo famatsiam-bola fito miliara avy amin’ny vondrona eropeana

Isan’ny ivontoerana iray manampy betsaka ireo tantsaha mpamokatra vokatra fanondrana sy vokatra tropikaly ary ireo vokatry ny tany eto Toamasina, na ara-teknika izany na ara-piaraha-miasa, ny ivontoerana CTHT na “Centre Technique Horticole de Toamasina” sy ny sampan CTCP na “Centre de Transformation et de Conservation des Produits” ao Analamalotra Toamasina Suburbaine. Mba hahafahany manatontosa ny asany dia nisy hatrany ny fiaraha-miasany tamin’ny vondrona eropeana amin’ny famatsiana vola ny tetikasany, ho fanatsarana ny vokatra hamatsiana ny tsena anatiny sy ny tsena any ivelany, indrindra ny firenena eropeana, izay tena mpividy ny vokatry ny tany sy tropikaly malagasy. Ho fanamafisana izany, izay tafiditra ihany koa amin’ny famatsiam-bola FED faha-09 sy ny FED faha-10 ataon’ny vondrona eropeana an’i Madagasikara, dia tafiditra tamin’ireo nahazo famatsiam-bola tamin’izany ny ivontoerana CTHT – CTCP Toamasina. Tonga teto Toamasina mihitsy ny masohivohon’ny vondrona eropeana, Atoa Antonio Sanchez-Benedito, miasa sy monina eto amintsika, nanato Sonia izany, sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ivontoerana, Atoa Dama Jean Luc, famatsiam-bola mitentina 07 miliara ariary ary ampiasaina mandritra ny 05 taona. Tetikasa telo no ampiasana ny vola, ny voalohany mikasika ny fanampiana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny traikefan’ireo tantsaha amin’ny famokarana ataony ; ny faharoa dia ny fanofanana ireo mpandraharaha mpanondrana sy ireo mpanangom-bokatra ; ary ny fahatelo kosa dia ny fiaraha-miasan’ny ivontoerana amin’ny Procom amin’ny fanatsarana ny fitaovana eo anivon’ny ivontoerana CTCP mba hahazoana ny fenitra “certificat 17.025”. Raha tanteraka izany dia ny CTHT – CTCP izany no faharoa manana izany eto amintsika ankoatra ny “Institut Pasteur de Madagascar”. Niatrika izao lanonana fahazoam-bola izao amin’ny angady sy vy nahitana ny ivontoerana CTCP Atoa Narson Rafidimanana, izay filoham-boninahitry, sy ny talen’ny ivontoerana Atoa Andréas Christophe.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici