- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Olona hita faty tao anaty lava-piringa

Ambositra : Olona hita faty tao anaty lava-piringa

Lehilahy iray manodidina ny 25 taona eo ho eo, no hitan’ny olona, tao anatina lavaka gabone, omaly maraina tao an-tapon-tananan’Ambositra tao, efa tsy  nisy aina intsony. Nahitana mangana tao amin’ny hatony ary nisy naratra ihany koa ny faritry  ny vatany sasantsany. Nisy namono sa tafalatsaka tsy nahy tao ? Araka ny tombatombana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana nampandrenesina mahakasika ity loza ity, dia voalaza fa mety ho fianjerana tsy nahy tao amin’io lavaka gabone io no antony nahatonga ny  loza. Ilay mangana tao amin’ny hatony, araka ny fitiliana nataon’ireo mpitsabo, no antony nahatonga ny fahafatesany. Nidona sy niforitra mafy ny lohany ka tapaka mihitsy ireo vanin-taolana tao. Ny ratra teny amin’ny faritra sasantsany tamin’ny vatany indray, dia vokatry ny fianjerana. Efa ora maromaro ihany koa no fantatra fa efa nahafatesan’ilay lehilahy, izay hoe andro alina izy no mety niditra tao amin’io lava-piringa io. Marihana, fa mbola vao hamboarina ity nahitana ny vatana mangatsiakany. Mety mbola tsy mipetraka tsara araka izany ireo hazo narafaritra hanakona ilay lavaka. Mbola vinavina fotsiny anefa ireo, raha ny fampitam-baovao azo, fa tsy maintsy hanokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany, noho ny fisiana aina nafoy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici