- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Trafikana basy vita gasy, olona dimy no vosambotry ny zandary

Maevatanàna : Trafikana basy vita gasy, olona dimy no vosambotry ny zandary

Ramatoa iray nivarotra basim-borina sy bala ary taratasim-basy ( APD) no tratran’ny Zandary avy ao amin’ny borigady Andriba nanadritra ny fisavana, ny Zoma 08 Jona lasa teo. Rehefa nosavaina io ramatoa voasambotra io, dia mbola nahitana basy poleta vita gasy iray indray tao anatin’ny sakaosiny. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy dia fantatra, fa olona roa nahazoany an’ireo basy no nanaovan’ny Zandary velam-pandrika tany Antanànanarivo ny 11 jona lasa teo. Olona roalahy hafa kosa indray no voasambotra, ary anisan’ny ahahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fanomezam-bola an’io ramatoa io, ka entina hanaovana sy hanamboarana taratasim-basy (APD) hosoka. Zandary nanao fisafoana amin’ny faritra Andriba sy ny manodidina no nahatratra izao vokatra izao rehefa nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsra sitra-po. Rehefa nojeren’izy ireo akaiky dia hita sy tsapa fa basy vita gasy ireo basy tratra teny amin’ity ramatoa voalaza etsy ambony ity, efa tena vita mitovy tsy misy valaka amin’ny tena izy, satria nolokona  ny “canon” ary nosorana vernis ihany koa ny “ garde à main” sy ny crosse. Ny canon mo dia vita tamin’ny vy tsotra ary ny garde à main kosa vita tamin’ny hazo ala tsotra, nahitana laharana ireo basy ireo fa natao tamin’ny fantsika mafana no nanoratana an’ireo laharan’ny basy ireo. Raha makasika an’ilay APD kosa dia hosoka tanteraka na ny laharany sy ny daty namoahana azy ary ny sonia ny manampahefana namoaka azy dia nangalarina, nefa hita ihany fa tsy mitovy amin’ny sonia tena izy. Notazomina avy hatrany ilay ramatoa sy ny namany efa-dahy, ka resaka fitazomana sy fivarotana basy vita gasy, ary fanaovana sy fampiasana hosoka miampy firaisana tsikombakomba no heloka hiampangana azy ireo. Ny Zandary avy ao amin’ny GAPJ na: (b Groupe d’Appuis à la Police Judiciaire eto Maevatanàna) no misahana ny fanadihadiana ary efa natolotra ny fampanoavana ny Atalata 19 Jona lasa teo izy dimy mianadahy saingy navotsotry ny fitsarana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici