Efa ho roa herinandro izao no nakan’ireo efa-dahy ranjanana sy nirongo basy mahery vaika an’i Nizar Pirbay teo am-bavahadiny, tao Salazamay Toamasina, fa hatramin’izao dia tsy fantatra ny momba azy ary raha ny angom-baovao natao dia voalaza fa mbola tsy niantso ny fianakaviany amin’ny fitakiana vola ho takalon’ny ainy ireo mpaka an-keriny azy. Mifamahofaho anefa ny vaovao mikasika izany noho ny tsy fanomezam-baovao ataon’ireo fianakaviany raha tonga manontany azy ireo ny mpitandro ny filaminana. Voalazan’ny angom-baovao hatrany fa ranomaso hatrany ny an’ny renin’ity teratany Khoja ity isak’izay tonga ireo mpitandro ny filaminana ireo. Heverina, noho izany, fa misy zava-miafina ao satria mety ho goavana loatra tsy araka ny toe-bolan’izy ireo ny fangatahana, ka izay no mety mahatonga ny olana, fa tsy ho marina mihitsy izany hoe roa herinandro tsy misy fifampiresahana ireo mpaka an-keriny sy ny fianakavian’Ingahy Nizar Pirbay ity. Ny zava-misy koa, noho ny tsy fanomezam-baovao avy amin’ny fianakavian’Ingahy Zouzou izao, dia lasa miraviravy tanana mandeha an-jambany amin’ny fikarohana azy sy fikarohana ireo mpaka an-keriny azy ny mpitandro ny filaminana izay iarahan’ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila manao. Tsy tahaka ny tamin’ny fikarohana an’i Arnaud sy Annie, sy tamin’ny nakan’olona an-keriny an’i Akyl Cassam dimy volana lasa, ny zava-misy ankehitriny. Samy miandry ny fampanantenana nataon’ny lehiben’ny Emmo-Sécurite, Kly Ranaivoarison Théodule Edith lehiben’ny vondrom-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, ny 11 jona teo raha nampiantso mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany izy, izay nilazany fa tsy ho ela dia ho hita ny “marina” mikasika ity raharaha fakana an-keriny an’i Nizar Pirbay ity…
Malala Didier