Olona manodidina ny telon-jato tany ho any no nitangorona nitokona sy nilanja sorabaventy sady nitabataba teo anoloan’ny biraon’ny Zandary, ao amin’ny GAPJ ( Groupe d’Appuis à la police Judiciaire Maevatanàna,) ny Alakamisy 21 Jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora maraina. Araka ny fanazavana azo, dia nisy olona sivy niampy talen-tsekoly iray amin’ny Ceg ny Beanana no voasambotry ny Zandary nandritra ny fisavana tamin’ny Alarobia maraina lasa teo ; izay voarohirohy tamin’ny fanakanan-dàlana tamin’ilay fiara sprinter avy any Ambanja, izay niala 400m atsimon’ ny Kaominina ambanivohitra Beanana no nisian’ny fanakanana, ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, ary izay no nahatonga ny fisamborana azy ireo. Vao nisy nahatsikaritra anefa ilay fisamborana, dia nifamory ny olona rehetra teo an-tanàna niaraka tamin’Atoa Charlot ben’ny tanàna any an-toerana, ary nirohotra nankany amin’ny biraon’ny Zandary nilanja sorabaventy sy ny nitaky ny hamoahana an’izy folo lahy, izay nolazaina fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana an’ilay taksiborisy. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nanazava tamin’ireo olona ny tokony hataony, fa tsy maintsy mandalo fanadihadiana ireo olona voasambotra ireo, ary avy eo vao hatolotra ny fampanoavana hoy hatrany ireo Zandary. Rehefa nifanazava ny roa tonta dia nanaiky ny fandaminana ihany ireo vahoaka. Na teo aza anefa izany, dia tsy nety niala teo anoloan’ny biraon’ny Zandary hatrany ireto farany izay niandry ny raharaha hoentina hiakatra eny amin’ny “ Parquet.” Tsotra ihany koa ny fanazavan’izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana, fa tsy dahalo velively ireo, fa olona handeha hiasa volamena sy hamatotra omby eny an-tsaha nosamborina, fa angaha efa tsy hita intsony izay handresena ireo dahalo manao ny ataony ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna dia olona tsy mahalala na inona nolazaina fa dahalo, hoy hatrany ny solontenan’ireo vahoaka taminay omaly. Tsy maintsy nandray ny fepetra hatrany ny mpitandro ny filaminana, ka natao faran’ izay haingana ny famotorana an’ireo folo lahy nahatonga ny savorovoro, ary efa natolotra ny fampanoavana omaly ihany izy ireo. Raha ny fantatra hatrany, dia samy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireto olona ireto, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.
Ratantely