Ny zoma teo no natolotra teny amin’ny fampanoavana Anosy ireo olona telo amin’ny efatra izay voarohirohy tamin’ny fametrahana baomba tao amin’ny Galerie Smart Tanjombato, ny 7 jiona lasa teo. Lehilahy ny roa izay samy naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ary ny vehivavy iray kosa nalefa eny Antanimora. Ny lehilahy voalohany dia tompon’ny finday izay nampiasaina tamin’ny andro nametrahana ny baomba tao an-toerana. Marihina ihany, fa baomba sandoka no hita rehefa tena nojeren’ny manam-pahaizana ifotony. « Fandrasàna karaoty sy famantaranandro fametraka amin’ny rindrina no hita tao anatin’ny baoritra mainty izay nolazain’izy ireo fa baomba » raha ny fanazavan’ny zandary. Ny lehilahy faharoa indray dia tompon’ny laharan-telefaonina izay nolazaina fa handefasana ny vola avy amin’ny Mvola. Ilay vehivavy kosa indray dia nilaza fa nindrana ilay finday nampiasaina amin’ilay lehilahy voalohany ary rehefa natao ny fijirihana rehetra dia isan’ny noraisina ho mpiray petsapetsa. Tsy ireo ihany no voarohirohy tamin’ity raharaha ity satria mbola misy iray izay voasambotra ary naiditra hopitaly rehefa nilaza ho narary nandritry ny fanadihadiana. Io indray dia hita tamin’ny « caméra de surveillance », raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany, fa izy no nametraka ny baoritra nisy ilay « baomba » tao Tanjombato. Nilaza ny narary anefa izy nandritry ny fanadihadiana ary nitory ny zandary ho nidaroka. Amin’ny zandary dia fomba iray entina hialàna amin’ny famonjàna ny zava-misy. Nilaza ny havan’ny marary fa nosambosamborina fahatany fotsiny ilay rangahy satria mitovy tamin’ny hita tamin’ny « caméra de surveillance. Ny zandary indray anefa etsy andanin’izany dia nanamafy fa rehefa nosavainy ny tranon’io olona io dia hita tao ny dikan’ny izay nanaporofo ny nametrahany entana tao amin’ny Galerie Smart. Fantatra fa zaodahin’ny lehilahy izay isan’ny nalefa eny Tsiafahy io marary eny amin’ny hopitaly io ary mbola miandry ny fivoahany eny ny zandary vao afaka manohy ny fanadihadiana azy.
D.R