- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Lehilahy maty tsy tra-drano, nodonin’ny taxi-be

Talatamaty : Lehilahy maty tsy tra-drano, nodonin’ny taxi-be

Nandriaka indray ny rà tetsy Talatamaty, tamin’iny sampanan-dalana mizotra mankany Ivato iny, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray, tokony ho 30 taona teo ho eo no voadonana taxi-be iray teny an-toerana. Vokany maty tsy tra-drano ity farany. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia nitsoaka avy hatrany ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamilin’ity fiara fitateram-bahoaka ity. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany te ho eo no nitranga ny loza, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary. Avy any Talatamaty ity fiara fitateram-bahoaka ity, ary handeha haka olona eo amina fiantsonana iray teny an-toerana. Raha malaza amin’ny fitohanana tokoa moa iny faritra iny, dia misokatra tanteraka izany rehefa alina ny andro ka nanararaotra izany ny mpamilin’ity fiara ity. Tamin’io fotoana io anefa no nisy olona niampita tampoka ny arabe. Ny zavatra toy izay foana anefa no matetika mahatonga loza. Eny fa na dia misy jiro aza ny fiara nentin’ity mpamily ity, ny jiron’ny fiara hafa, na ny jiron’ny andrin-jiro mitaratra eny aminy dia ampy hanakona tanteraka ny fahitàny izany olona miampita tampoka izany. Ary dia tsy tana intsony loza. Azo heverina fa mety ho izay no nitranga tamin’ity loza ity. Voadona mafy ilay lehilahy. Nipitika avy teo niakarapoka ary tsy nihetsika intsony, tao anaty rà mandriaka. Ny loha midona amin’ny zavatra mafy foana moa matetika no mitarika ny fahatesana, noho ny fitosahan’ny rà. Marihana fa mbola feno mpandeha tao anatin’ity fiara ity, saingy tsy nisy naninona izy ireo na dia teo aza ny fahataraina, hoy ny filazan’ny zandary. Nitsoaka toy  ny teo kosa ny mpamily sy ny mpanampy azy raha vao nahita fa tsy nihetsika intsony ilay voadona. Ny fanazavàna azo avy tamin’ny mpitandro filaminana hatrany no nahafantarana fa noho ny tahotry ny hatezeram-bahoaka sy ny tampoka nahazo azy ireo, dia namonjy avy hatrany tobin’ny zandary ireto farany, nampilaza azy ireo. Ireto farany moa izay tonga avy hatrany teny an-toerana nizaha ifotony zava-nisy sy nandamina ny fifamoivoizana. Nentina tany amin’ny tranom-paty ny razana nanaovana fitiliana. Notazonina avy hatrany natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary kosa ilay mpamily.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici