Na ao anatin’ny faritra Atsinanana aza no misy ny tetezan’Antaratasy Toamasina II, dia ny faritra Analanjirofo no tena miasa loha aminy noho ny voka-dratsy aterany tena miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ao amin’ny faritra misy azy. Vokatr’ izany dia ny zoma teo nidina nijery akaiky ity tetezana ao Antaratasy ity ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques sy ireo teknisian’ny asa vaventy, hijerena ny fomba hanarenana azy aloha mba hahafahan’ireo fiara vaventy mandeha aminy, satria hatreto aloha dia ireo fiara latsaky ny iray taonina ihany no afaka mandeha amin’ity tetezana ity hisorohana ny loza. Ao anatin’izay anefa voatery manao famindrana entana sy mpandeha ny fiara lehibe rehetra mpanao fitaterana amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny ao Antaratasy. Miteraka fiakaran’ny saran-dàlana anefa izany, satria lasa 12.000 ariary izao ny saran-dalan’ny mpandeha mihazo an’i Fenerivo atsinanana raha 10.000 ariary izany hatramin’izay, niakatra ho 7.000 ariary koa ny ao Mahavelona Foulpinte raha 5.000 ariary hatramin’izay. Nahitana fiakarany manodidina ny 500 ariary hatramin’ny 1.200 ariary ihany koa ny vidin’ny entana ao vavatenina, Fenerivo atsinanana, Mahambo ary hatrany Soanierana Ivongo vokatr’ izany, hany ka lasa 500 ariary ny voatabia sy tongolo ilay any an-toerana, ny vary dia tsy misy latsaky ny 1.800 ariary intsony raha efa tafidina 1.500 ariary izany teo aloha. Manampy trotraka izany ny solika izay ifampitadiavana ka 7.000 ariary ny iray litatra amin’ny gazoala raha 8.000 ariary ny lasantsy noho izy ireo taterina amin’ny “bidon” 20litatra ho an’ireo mpibizina. Mihitsoka eto Toamasina ihany koa ny fitaovana famokarana herinaratry ny Jirama Vavatenina, noho io olana io, nefa efa mitaraina amin’ny olana ara-herinaratra ny mponina. Na eo aza ity olana ity dia hahazo afomanga tahaka ny faritra rehetra, amin’izao fetim-pirenena izao ny ao Fenerivo atsinanana renivohitry ny faritra.
Malala Didier