Teo amin’ny faha-42 taonany no nodimandry ny mpiara-miasa aminay eto amin’ny orinasa Midi Madagasikara Randriamandimby Jean Richard, omaly Alarobia 27 jona 2018. Richard no nahafantaran’ny maro azy teto amin’ny toeram-piasany ary mpamily no andraikitra nosahaniny izao izy lasa nody any amin’ny Ray izao. Araka ny fantatra, dia aretina nandazo azy efa elaela ihany no nahatonga ny fahafahatesany. Ny alarobia no efa namonjy toeram-pitsaboana ny tenany ka nomen’ny mpitsabo fialan-tsasatra iray andro. Ny Alakamisy anefa, raha hamonjy ny toeram-piasany izy no tratran’ny aretina teny an-dàlana ka nitarika izao fahalasanany tampoka izao.
Tampoka ho an’ny mpiara-miasa aminy tokoa, satria efa 9 taona no niasan-dRatompokolahy teto amin’ny orinasa. Lehilahy mavitrika sy matanjaka ary nahay nifandray tamin’ny rehetra. Mpiambina no nidirany niasa voalohany izao izy lasa mpamily izao. Isan’ny andraikitra notanany ny fanaparitahana ny gazety vokarin’ny orinasa any amin’ireo toerana fanjifana isan-karazany eto Andrenivohitra. Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Midi Madagasikara, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian-dRatompokolahy.
T.M.