- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohémar : Dahalo mpamono olona voasambotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Vohémar : Dahalo mpamono olona voasambotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Leom-boan’anana amin’ny firongatry ny asa ratsiny izay arahina vono olona hatrany, ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny Faritra Sava, fa izay jiolahy na dahalo tra-tehaka, dia iharan’ny hatezeram-bahoaka hatrany. Taorian’ny fanafihan-dahalo nahafatesana olona iray, izay nitranga tao an-tanànan’i Befiana Fokontany Belambo any amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Antsirabe Nord, Distrikan’i Vohémar, ny alin’ny fetim-pirenena 26 jona teo, tokony ho tamin’ny 11ora alina. Nandritra ny fanarahan-dia nikarohana an’ireo olon-dratsy, dia tra-tehaky ny Fokonolona mpanara-dia ny dahalo iray, ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny sivy ora, tao Befiana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici