Tafiditra tanteraka ao anatin’ny asa fanitarana ny trano fiangonana ny FJKM Antsahamaina Famonjena amin’izao fotoana izao. Efa vita avokoa ny fototra iray manontolo ary mampiakatra ny rindrina ankehitriny ny mpianakavin’ny finoana. Hita taratra amin’izany fa mandray anjara ao avokoa ny taranaka rehetra avy ao amin’io fitandremana io.Nanomboka tamin’ny volana febroary lasa teo, nifandimby ireo taranaka manatanteraka rakipisaorana any an-tanindrazana hanaovana ny asa. Isaky ny voalohan’ny volana no hanaovana izany. Amin’ny alahady 01 jolay 2018 izao, anjaran’ireto taranaka manaraka ireto no hanefa izany : Randriamanantena Edmond, Rakotonirina Eugène, Raheliarisoa Beby, Randriamanana, Rasoamihaja Meltine, Rakotomandimby, Rasoamanambelo, Nary Manitra Iarivo, Ramanoelina Joseph André sy Rasoamanarivo, Rakotoarisoa Jean de Dieu, Rantoanison, Razakalambo Mamisoa, Razakamiadana Modeste , Ratovontsoa Nomenjanahary ary Jaonarimanana. Manomboka amin’ny 9ora sy sasany ny fanompoam-pivavahana.
Manaraka izay, amin’ny alahady 08 jolay 2018 no hiaraka hitsangatsangana eny Ambohiboahangy Imerinkasinina ny taranaka rehetra. Eny an-toerana ny fotoana amin’izany. Mandritra io fotoana io, hisongadina ny sampana velona ao amin’ny fitandremana fa izy ireo no hanolotra sakafo ho antsika izay amidy amin’ny vidiny mirary ( 3000 ar. sy 5000 ar.) mba hifalian’ny rehetra.
H.R.