- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Olona fito maty voatifitra, nodorana ny trano

Ikalamavony : Olona fito maty voatifitra, nodorana ny trano

Habibiana tanteraka no niseho tao amin’ny fokontany antsoina hoe Sakay, eo anivon’Ikalamavony. Izany dia mbola ny dahalo hatrany ny tompon’antoka. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nitranga izany. Nanao ny asaratsiny toy ny mahazatra ireo andian-dahalo izay an-jatony raha araka ny vaovao nampitain’ny olona any an-toerana. Tsy fantatra ny isan’ny omby very saingy kosa, raha nanohitra ny olona sasany tao an-tanàna dia nitranga tamin’izay ny herisetra sy ny heloka bevava isan-karazany. Tsy nisalasala nampiasa ny basy teny aminy ny dahalo ary nitifitra variraraka. Raha ny fanampim-baovao azo omaly dia miisa fito ireo olona lavo nandritra ity fanafihana mahery vaika ity. Niady irery ireo olona ary rehefa tsy naharesy tosika mihitsy ireo mpifanandrina taminy dia nitsoaka niala teo amin’ny tanàna tao anatin’ny haizim-pito. Tsy nijanona teo ny herisetra nanjo ireo mponina, satria mbola nodoran’ny dahalo indray koa ny trano maro tao Sakay. Horohoro tanteraka toy izany no niainan’ny olona ny alina. Tao ny namoy fianakaviana, ny very fananana ary koa ny tsy misy trano hivantanana intsony. Izany no iainan’ny olona any ambanivolo isan’andro sy isan’alina. Indraindray aza dia efa mandefa fampilazàna mialoha mihitsy ny dahalo ny amin’ny fotoana handalovany ka entiny hampitandremana ny olona mba hiala alohan’ny hahatongavan’izy ireo ao amin’ny tanàna horobainy. Tsy voafehy hatreto ny asan-dahalo. Fantatra koa fa tamin’ny fotoana nitovy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma hatrany, dia nisy fanafihana nitranga koa tao Miandrivazo. Dahalo manodidina ny dimampolo isa no tonga nangalatra omby an-jatony tao an-tanàna. Tamin’io koa dia raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny miaramilan’ny DAS izay nampian’ny zandary. Nisy tamin’ny dahalo ny maty ary nisy olon-tsotra tompon’omby koa ka nanao fanarahan-dia lavo. Tao anatin’ny folo taona farany izay dia tsikaritra fa lasa mamono ny dahalo. Ny antony dia satria lasa misy tombontsoa ara-bolan’izy ireo ao ambadika. Hatreto, ny petra-kevitra lasa mampirongatra ity heloka bevava ity, ny asan-dahalo izany,  dia ny fisian’ny fanondrànana tsy ara-dalàna ny omby avy eto Madagasikara. Na inona na inona ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana, tsy ho tapitra mihitsy ity raharaha ity raha tsy izay fanondrànana an-tsokosoko izay no ajanona ary samborina ny “mafia” mpisehatra amin’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici