Nitatatata indray ny basy tany amin’iny faritra Menabe iny afak’omaly. Nitrangana fifandonana mahery vaika mantsy teo amin’ireo dahalo, izay mahatratra am-polony maro tany ho any sy ireo mpanara-dia izay nahitàna mpitandro filaminana sy ireo fokonolona. Olona dimy no namoy ny ainy, efatra tamin’ireo dahalo ary iray avy amin’ireo fokonolona. Nisy dahalo iray tamin’ireo voatifitra no avy hatrany dia nodoran’ny olona.
Araka ny vaovao voaray dia ny alin’ny alarobia lasa teo no nitrangana fanafihana mahery vaika tao amin’ny tanana iray, ao amin’ny kaominina Begidro, distrika Belotsiribihana. Mahatratra any amin’ny 50 isa any ho any ireo andian-dahalo nanafika io tanana io, niaraka tamin’ny basim-borona sy fitaovam-piadiana isan-karazany. Azon’ireto farany izay notadiaviny dia lasa izy ireo, saingy tsy nijanona hatreo ny zava-nisy. Nivondrona avy hatrany ireo vatan-dehilahy teo an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, vonona ny hanara-dia ireo olon-dratsy. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any no nifanehatra izy ireo ka raikitra teo ny fifandonana. Raha ny fanazavàna azo avy tamin’ny zandary tany an-toerana dia nisy efatra ireo malaso lavon’ny bala sy tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. Olona iray kosa no voan’ny balan’ireo dahalo taty amin’ireo mpanara-dia. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no fantatra fa naratra mafy saingy mbola tafaporitsaka ihany. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotr’ireo tompon’andraikitra ihany izy ireo, ary efa voatana any an-toerana amin’izao fotoana izao, hanaovana fanadihadiana. Raha ny mikasika ireo maty kosa, fantatra fa nisy tamin’izy ireo no avy hatrany dia nodoran’ny fokonolona tamin’ny kodiarana tany an-toerana ihany. Ilay namoy ny ainy tamin’ireo fokonolona kosa dia efa nomena ny havany. Mbola mitohy hatrany moa ny fanenjehana ireo dahalo tafatsoaka any an-toerana sy ny fikarohana ireo namany, raha ny vaovao hatrany.
m.L