- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-brousse nivarina tany ambany tetezana : Olona efatra no maty tsy...

Taxi-brousse nivarina tany ambany tetezana : Olona efatra no maty tsy tra-drano, 44 naratra mafy

Nidrangan-doza indray ny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny omaly maraina tamin’ny 9 ora. Fiara mpitatitra olona ao ain’ny kaoperativa Mahasoa niala teto Antananarivo hiazo an’i Manalalondo no nivarina tany anaty anaty hantsana ka nifatratra tao ambanin’ny tetezana Iombifotsy ao Andranomena (PK39+800). Vokany, olona efatra no maty teo no ho eo ka vehivavy ny roa izay 14 taona ny iray. 44 kosa no naratra mafy tonga teny amin’ny HJRA ka ny 11 amin’ireo no tena natahorana ny ainy. Ny efatra amin’ireto farany dia nilaina fitsaboana manokaa mihitsy satria nahatelina solika izay niraraka avy amin’ity fiara ity tao anatin’ny rano izay nivarinany, raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny fahasalamana izay manaraka akaiky ny fandraisana sy ny fikarakarana ireo maratra teny amin’ny hôpitaly Ravoahangy-Andrianavalona, etsy Ampefiloha.

Araka ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena izay nohamafisin’ny filohan’ny kaoperativa misy ity fiara ity dia nadeha mafy  ity farany  izay soritana fa irony kamiao nohajariana mba ho afaka hitondra mpandeha irony ity taxi-brousse ity. Tsy maintsy nandeha mafimafy izy , hoy ity filoha ity satria fiakarana no miditra eo amin’io tetezana io. Rehefa hiazo ilay tetezana izay ao anaty fiolanana ilay fiara dia nahatazana Sprinter nijanona teo amin’ny ankavanan-dalana ny mpamily. Niezaka niala izany ny mpamily ka naka ny havian-dalana. Tamin’izay indrindra anefa no nisy omby noroahina teny amin’ny arabe teo anoloany. Noho ny hatairana angamba dia tsy nahafehy ny familiana intsony ny tenany  ka nivoka ny arabe teo amin’ny ankavia ilay fiara ka izao niafara  tany ambany tetezana, izay mirefy 20 metatra eo ho eo  ny haavony. Mafy tokoa ny dona satria nivadika ambony ambany no nahitana ilay fiara tao anaty rano. Nanano sarotra ny famojena ireo mpandeha satria nisy tamin’izy ireo no voatsindry tao ambanin’ilay fiara. Ireo maratra moa dia nentina avy hatrany tany Imerintsiatosika sy Arivonimamo nialoha ny nampakarana ny maro amin’izy ireo taty Antananarivo.

Fitahian’Andrimanitra. Ankizivavy kely iray izay vao 1o volana mahery kosa no azo lazaina fa notahian’Andriamanitra. Raha mbola nisahotaka namonjy ireo olona teo amin’ny fiara ny  fokonolona dia ankizivavy 11 taona antsoina hoe Heriniaina Eulalie no nahatazana ity zazakely ity avy lavitra natsikafon’ny rano. Nihazakazaka  namonjy ilay zaza i Eulalie ary niroboka avy hatrany tao anaty rano na dia tsy mahay milomana aza izy, araka ny filazany. Avotra noho izany ilay zaza na dia tsy nahatsiaro tena intsony aza. Tena nahagaga tokoa ny fahakingana teo amin’i Eulalie satria rehefa tafavoakany tao anaty rano ilay zazakely dia natotongany mba hivoaka ny rano voasotroiny. Ity farany izay araka ny filazan’ny Minisitry ny fahasalamana fa tsy maintsy nandraisana fepetra manokana ihany koa ny fitsaboana azy satria nahatelina solika. Marihina fa valo no isan’ny ankizy naratra tamin’ity loza ity.

Niantohan’ny fanjakana. Raha vao nandre izao loza izao ireo manam-pahefana eo anivon’ny Fitondra-panjakana malagasy dia nidodododo teny amin’ny HJRA avy hatrany. Ankoatry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka  dia tonga teny voalohany ihany koa ny Minisitry ny Serasera. Isan’ny tazana voalohany teny ihany koa  ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao. Ity farany izay nanambara fa horaisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ireo maratra sy ny fikarakarana ireo razana. Ny tolakandro, dia nanao ranolava ny fiavian’ireo manam-pahefana. Isan’izany ny Ben’ny Tananan’Antananarivo, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian sy Minisitra maromaro. Teo ihany koa ny solontena avy amin’ny Mapar izay nanolotra lelavola 4 000 000 Ariary ho fanampiana ireo niharam-boina amin’ny fitsaboana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici