Fito volana aty aoriana vao tapa-kevitra ny hiroso amin’ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nalain’ny tompony teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy tsy nadoavana ny haba samihafa mifanaraka amin’izany ny ladoany eto Toamasina. Raha ny lalana anefa dia ireo entana na vondron’entana rehetra tsy alain’ny tompony ao anatin’ny roa volana sy tapany dia tokony hiditra avy hatrany amin’izany lavanty izany. Ny 09 hatramin’ny 11 jolay izao no hanaovana ireto entana na vondron’entana miisa 192 eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireto, ka ny vadintany mpanao lavanty Me Rasamimaka Mahefalahy no hisahana izany. Tahaka ny efa fanaon’ny ladoany hatramin’izay dia atao anaty valopy mihidy ny tolotra ho an’ireo mpandray anjara rehetra, izay tataovana 10% amin’ny vidiny ; ka mandritra ny fanaovana ny tolotra sy ny fanokafana ny valopy dia miara-misalahy hatrany ny ladoany, ny vadintany mpanao lavanty, ny bianco, ny orinasa mpitahiry ny entana teo anivon’ny seranan-tsambo, ary ny solontenan’ny mpandray anjara. Manana 48 ora anefa ireo olona na orinasa telo voalohany manao ny tolotra be indrindra isaky ny entana na vondron’entana handoavana ny vola mifanaraka amin’ny tolotra nataony hahafahany maka ny anjara entany. Ankoatra, amin’ireo entana miisa 192 hatao lavanty ny 09 hatramin’ny 11 jolay ireto dia miisa 43 amin’ireo ny fiara eo anivon’ny Smmc, isan’ny tafiditra amin’ny fiara hatao lavanty ny fiara Renault Clio tolo-bidiny 5.100.000 ariary an’ny kaominina Morondava, isan’izany koa ny fiara Renault Kangoo an’ny borigadin’ny zandary Ankadikely Ilafy izay mitentina 5.000.000 ariary ny tolo-bidy voasoratra. Eo amin’ny kaontenera kosa dia miisa 177 izy ireo ka isan’izany ny kaontenera 40’ misy ny fananan’Ingahy Ny Rado Rafalimanana, sy ilay kaontenera 20’ misy toaka sy zava-mahamamo avo lenta izay nampisy resa-be teto Toamasina sy nitrangana halatra, saingy tratra avokoa ireo nanao izany, mitentina 25.000.000 ny tolo-bidiny izao.
Malala Didier