- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFrantsa : Malagasy mpifamofo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Frantsa : Malagasy mpifamofo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Potika tanteraka ilay fiara ary tafapitika tany ivelany ny olona tao anatiny. (sarynindramina)

Ny alahady teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina, no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana izay nahafatesana Malagasy roa. Ilay ramatoa izay nitondra vohoka dia maty tsy tsa-drano rehefa nipitika avy ao anatin’ilay fiara Renault Mégane, ary teny amin’ny 100 metatra niala ny fiara vao hita. Ny rangahy mpamily kosa, izay fofom-badiny raha araka ny fantatra, dia noezahin’ny mpamonjy voina nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tàna intsony ny ainy. Avy any Parisy izy ireo ary any rahateo no monina, ary saika hihazo an’i Lyon  izao niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny PK 391 izao, ao  amin’ny tanàna antsoina hoe Charnay-Lès-Mâcon. Mbola nisy olona roa koa tao anatin’ny fiara nentin’izy ireo. Mpihavana avokoa ireo, ny rahavavin’ny maty sy ny zanany kely. Ireo koa dia nipitika avy ao anaty fiara. Mbola tsy nanome ny anton’ny loza hatreto ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina izay nijery ifotony ity loza ity. Nivadika ambony ambany ary nivoaka ny làlana mihitsy ilay fiara. Nosintomina tamin’ny kamiao mpibata fiara vao tafavoaka tao amin’ny toerana nisy azy. Loharanom-baovao hafa kosa no nahafantarana fa isan’ny mpikarakara fety matetika sy mpanetsiketsika ny Malagasy ao Lafrantsa ilay rangahy namoy ny ainy. Raha araka ny re dia lohandohan’ny mpisorona amin’ny fikambanana iray avy any avaratra izy, raha araka io loharanom-baovao io hatrany, ary omaly rahateo dia efa nisy ny fifampizaràna ny vaovao nampalahelo tamin’ny tambajotra sosialy izay nanentana ny zanak’avaratra sy ny zanak’i Nosy-Be indrindra indrindra mba hiray fo tamin’ity loza namoizana ain’olona ity. Vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao any Lafrantsa ary heverina fa saika hihazoan’i Lyon ity fianakaviana ity mba hanatontosa izany izao niharan-doza tampoka izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici