Kapa famaky maromaro teo amin’ny lohan’ity lehilahy iray 36 taona no nitarika ny fahafatesany, ny faran’ny herinandro teo, tao Avarabohitra, ao amin’ny fokontany Ankazo, any amin’iny kaominina Mahitsy iny. Mpiambina amina tanana iray tao amin’io toerana io ity lehilahy ity no izao hita faty izao. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia ny sabotsy maraina teo no nisy nahita nitsitra, tanaty rà mandriaka, teo amin’ny lavarangan’ny trano ambenany ity lehilahy ity. Efa tsy nisy aina intsony tamin’io fotoana io. Fandrobana sa vono olona tsotra izao ? Hatreto raha ny fanazavàna azo dia mbola tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga. Vinavinaina ho tamin’ny misasak’alina tany ho any kosa anefa no nisian’izany sy efa nahafaty ity lehilahy mpiambin’ny trano ity. Mbola tsy fantatra ary mikaroka tanteraka izay nahavanon-doza araka izany ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mahitsy, izay niandraikitra ny raharaha. Rehefa avy notsirihan’ireo mpitsabo sy ny mpanao fanadihadiana kosa ny razana dia efa nomena ny fianakaviany.
m.L