- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zanaka notadiavina nandritra ny 20 taona, tany amin’ny « facebook...

Toliara : Zanaka notadiavina nandritra ny 20 taona, tany amin’ny « facebook » vao hita

Trangam-piarahamonina mapihetsi-po tsy fahita na fandre matetika no taterina amintsika mpamaky androany. Zanaka lahy notadiavina nandritra ny 20 taona, ka tany amin’ny « facebook » vao hita, izay tsy maty akory, fa salama tsara sy lehibe. Taitra ity reny tambanivohitra efa mihaosan’ny adim-piainana, monina ao Betsinjilo, raha nahazo taratasy avy any Italia, izay naterina masera tao an-tranony, ny 2 jolay teo. « Tsy maty tsy akory ny zanakao fa salama tsara ary lehibe no sady efa milamina ny fiainany », raha ny voasoratra tao anaty taratasy, izay nampiarahana tamin’ny sarin’ilay tovolahy maromaro  nanomboka tamin’ny faha efatra taonany. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny renin’ilay tovolahy latsa-dranomaso faly loatra nahita an-janany nivantana indray tamin’ny « internet », dia mbola tao am-bohoka ity tovolahy ity no maty voatifitry ny dahalo tany Miary Distrikan’i Toliara II ny rainy. Noho ny fahasahiranan-dreniny, rehefa feno roa taona izy, dia naterina notezaina tao amin’ny tobin-dry masera. Enim-bolana taorian’io anefa, nisy vazaha mivady tsy manan-janaka nangataka zaza hatsangana tao amin-dry masera, ka raha vao lasa tany ampita ilay zaza, dia sarotra tamin’ireo relijiozy no nampahafantatra mazava ny zava-nisy tamin’ny renin’ilay zaza, na dia niezaka imbetsaka aza ity farany nitalaho ny mba hanoroana azy hoe aiza no nandefasana ny zanany ary ny adiresy mazava momba ny nitaiza azy ?

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici