- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fikambanan’ny Renin-jaza Anglikana, nizara fanomezana ho an’ny sahirana

Antsirabe : Fikambanan’ny Renin-jaza Anglikana, nizara fanomezana ho an’ny sahirana

Manodidina ny 70 ireo nahazo fanampiana (sary Andry N)

Toy ny fanao isan-taoana dia tsy nanadino ny olona sahirana ny Fikamban’ny Renin-jaza Anglikana eto Antsirabe rehefa andron’ny asaramanitra. Ankaotra ny maha fikambanana azy, miorina eo ambany fahefan’ny fiangonana dia natao hanampy ny presbitera ny fikambanana. Isan’ny anto-pisiany ihany koa  ny fanaovana asa soa sy asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina. Tsy nanadino ireo sahirana ara-pivelomana ny fikambanana ka nizara fanomezana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny fitafiana, vary , savony sy lelavola. Nizara roa ireo nisitraka izany dia ireo fianakaviana hita fa mila izany fanampiana izany ao amin’ny fiangonana, niampy ireo mahantra eny amoron-dalana tsy  manan-kialofana. Manodidina ny 70 teo ho eo ireo olona nisitraka ny fanomezana nomen’ny fikambanan’ny Renin-jaza ao amin’ny Fiangonana Anglikana Santa Mikaely Antsirabe.

Andry N .

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici