- Publicité -
dimanche, septembre 27, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Fanafihan-dahalo nitam-piadiana tamin’ny RN7, taksiborosy iray hihazo an’i Toliara voaroba

Sakaraha : Fanafihan-dahalo nitam-piadiana tamin’ny RN7, taksiborosy iray hihazo an’i Toliara voaroba

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao Antsapanana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha. Raha ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpandeha iray niharam-boina, dia fiara taksiborosy iray hihazo an’i Toliara no tratran’ny sakan-dalana tamin’ny vatobe nataon’ireo dahalo. Niala ireo vato marobe nanao tohivakana teo am-povoan’arabe ny mpamily, ka nivadika ambony ambany ilay taksiborosy, ary nanararaotra nadroba ny mpandeha rehetra tsy afa-nanohitra azy ireo ny jiolahy mpanakan-dalana. Rehefa azon’ireo olon-dratsy nitam-piadiana ny vola, ny finday, ny firavaka volamena sy rojo volafotsy niampy ny entam-barotra zakan’ireo malaso, dia nitsoaka izy ireo ary nadio ny rano nitana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici