- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Fasana telo indray vaky, taolam-balo 57 nanjavona

Manjakandriana : Fasana telo indray vaky, taolam-balo 57 nanjavona

Tsy nitsahatra akory fa misoko mangina ary mitohy manao ny asa ratsiny hatrany ireo mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty. Toy izay nitranga tany amin’iny distrika Manjakandriana iny, tao amin’ny kaominina Ambohitrony ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Fasana miisa telo be izao, ta amin’ny toerana antsoina hoe Ampamoizana, fokontany Ambohibary no indray lasibatry ny asa ratsin’ireo tsy valahara tamin’izany. Raha ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny zandamariam-pirenana dia nahatratra teo amin’ny 57 teo no isan’ireo taolam-balo very tamin’io fotoana io, izany hoe razana am-polony maro no nozimbazimbain’ireo tsy mataho-tody. Tsy misy mahita tokoa ny hanaovan’izy ireo izany asa ratsy izany, toy ny mahazatra. Olona sendra mandalo teny amin’ny toerana misy ny fasana, na ireo fianakaviana efa handeha handevina matetika no mahita ny fasana efa mivoha. Ka amin’izay fotoana izay vao mampandre ireo tompon’andraikitra kanefa efa madio tanteraka ny rano nitan’ireo mpangalatra. Tsy toy ny halatra zavatra hafa ihany ity halatra taolam-paty ity ary izay matetika no mampiraviravy tanana ireo lasibatra. Efa naman’ny hoe hafoy tanteraka mantsy ireo taolambalo very satria tsy ho hita sy tsy ho fantatra intsony, raha tany ity ka tratra ireo mpangalatra. Anisan’ny maharary tanteraka amin’ny Malagasy anefa izany tsy hita fototra sy very faty izany, kanefa atao ahoana moa ? Ny fanadihadiana amin’ity karazana asa ratsy ity anefa hatreto dia toa mbola manjavozavo ihany. Mbola baraingo lehibe ho an’ny rehetra ny hoe, atao inona taolam-paty, ary inona no mahatonga ireo tsy valahara hiroso amin’ity asa ratsy ity ? Iza no mety mpandray an’izany ary iza no ao ambadika, mahatonga an’ilay fanadihadiana tsy mety miroso mihitsy, efa taona maro dia maro izay ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici