- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra môtô eto Toamasina : Mpirahalahy tratra, ny zandriny mpangalatra ny zokiny...

Halatra môtô eto Toamasina : Mpirahalahy tratra, ny zandriny mpangalatra ny zokiny mpivarotra

Isan’ireo faritra sokajian’ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina amin’ny tsy fahandriampahalemana ny ao amin’ny fokontanin’Ambalamanasy ; izay sady midadasika no ahitana fokontany maromaro ary mbola miaina ao anatin’ny haizina ny ankamaroan’ny fokontany ao aminy. Ny vaky trano sy ny fanendahana ireo tratra hariva sy ny alina no ataon’ireo andian-jiolahy manao ny asa ratsiny vokatr’ izany, ka tena mampitaraina ireo mponina tsy afa-manohitra noho ireo andian-jiolahy tsy tahotra mihitsy mamono avy hatrany raha manakana ny fikasany ireto vahoaka. Noho ny fitarainana maro voarain’ny FIP Toamasina, dia nisy ny paik’ady niarahan’izy ireo sy ny andrimasom-pokonolona nanao, izay nahomby sy nahazoam-bokatra ihany koa. Ny alin’ny alarobia sy ny alakamisy teo, dia tovolahy antsoina hoe Valerie 28 taona, mponina ao Andranomadio 11/41 no tratran’ny FIP tao Ambalamamasy teo am-pibatana môtô. Taorian’ny fakana am-bavany azy, dia nanoro ny namany izy izay tsy iza, fa ny zokiny lahy ihany, ingahy Fleury 30 taona izay mponina ao Andranomadio 11/41 ihany koa, izay mpitady mpividy ireo avy angalarin’ny zandriny no tena asany. Tamin’izao raharaha izao, dia mbola tratra tamin’ity mpangalatra môtô sy mpivarotra môtô ity ireo môtô avy nangalarin’izy ireo, izay anaovan’ny komandan’ny FIP Toamasina Rafaliarivo Jules antso avy amin’ireo manana môtô very ny hijery azy ireo eo anivon’ny biraon’ny FIP Toamasina Ankirihiry avaratra mifanila amin’ny fokontanin’ny Valpinson.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici