- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahamaina Famonjena : Hitsangantsangana sy hanao vokadehibe

Antsahamaina Famonjena : Hitsangantsangana sy hanao vokadehibe

Hotanterahina ny alahady 08 jolay 2018 izao ny fihaonan’ny taranaka rehetra ao amin’ny Fjkm Antsahamaina  amin’ny alàlan’ny fitsangatsanganana eny Ambohiboahangy Imerinkasinina. Amin’io fotoana io ihany koa no hanatanterahana ny vokadehiben’ny zanaka am-pielezana  ho entin’ny taranaka hanehoana fa velona sy mijoro isika amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-150 taona niorenan’ny fitandremana izao. Efa mandeha ny asa fanitarana ny fiangonana. Tsy mora anefa ny manao izany fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra  nomena taranaka mandray anjara isika ka miara-mientana amin’izany asa goavana  izany. Efa vita ny fototra ary miroso eo amin’ny fananganana ny rindrina isika ankehitriny. Manentana ny rehetra  mba samy hanolotra ny anjara birikiny amin’ny asa. Ny  entan-jaraina mora zaka. Entano àry ny fianakaviana isan-taranaka mba ho tonga eny amin’ny fitsangatsanganana fa io ihany koa no fotoana hifankalalantsika sy hiarahantsika rehetra amin’ity taona ity. Misy sakafo izay homanin’ny isan-tsampana amin’izany izay amidy amin’ny vidiny mirary (3.000ar – 5.000ar) fa ny fitaovam-pihinanana nosamy hitondra isika. Hery lehibe ho an’ny taranaka ny fahatongavanao ary aoka isika hifanentana. Ny lalana mankany Imerinkasinina no arahina ka 100m tsy hahatongavana eo amin’ny Relax Garden no misy ny toerana. 3.6km miala ny croisement RN2.

H.R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici