- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Nidoboka eny Antanimora ilay ramatoa, noho ny vono olona

Ivandry : Nidoboka eny Antanimora ilay ramatoa, noho ny vono olona

Omaly efa maizin’andro izay vao vita ny fihainoan’ny fampanoavana an-dR.S. Ramatoa 46 taona izay nosamboirin’ny polisy izy io ary nohadihadiana tetsy amin’ny BC etsy Anosy rehefa voarohirohy tamin’ny raharaha vonoan’olona. Ny alarobia teo manodidina ny misasakalina no niantso ny polisy ny mpira-monina taminy sy ny olon-tiany momba ny fisian’ny fatin’olona izay nitsidràka tao amin’i R.S. Olona efa maty sy milomano anaty rà no hitany tao. Mazava hoazy fa tsy maintsy ny olona izay niara-nipetraka taminy tao amin’ilay trano aloha no nalehan’ny sain’ny polisy voalohany ho mahafantantra na koa mety ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona. Nohazavain’i R.S ary, araka ny fanazavan’ny polisy, fa somary mamo izy roa ary niady nony avy eo. Tokony hotamin’ny 10 ora sy sasany alina, nialohan’ny nahafaty ilay rangahy, dia niantso vonjy tamin’ny manodidina i R.S ary ny nampitainy tamin’izany dia ny hoe namono tena ilay olon-tiany. Efa niara-nonina enin-taona izy ireo ary tsy mbola niteraka, raha araka ny fanampim-baovao azo. Teo ary dia hita fa nisy tsatok’antsy ny fe havanana an’ilay lehilahy ary nivoaka teo ny rà izay lasa nameno ny trano. Ny manodidina anefa, rehefa nanontanian’ny polisy, dia nilaza fa nisy zavatra nidoboka tao amin’ilay trano ary rehefa nojerena taorian’izay dia olona efa mihosi-drà sy miady amin’ny fahafatesana no hita. Efa mivaingana hatramin’ny ràny aza, raha araka ny filazan’ny manodidina hatrany. Amin’ny mpanao fanadihadiana dia midika izany fa navela ho faty teo fotsiny izy. Nitarika ny fitazonana am-ponja ilay vehivavy ny zava-nitranga. Raha ny fantatra dia niezaka hatrany ilay vehivavy nandà ny heloka bevava izay nitranga ary nitazona ny teniny hatrany ny amin’ny hoe namono tena ilay lehilahy. Efa betsaka ny heloka bevava izay nitranga noho ny olana ara-pitiavana (crime passionnel) ary tamin’ny endriny samihafa hatrany matetika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici