- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Efa-dahy maty notifirin’ny olona

Ambohimahasoa : Efa-dahy maty notifirin’ny olona

Fanafihana sy halatra tao amin’ny tranon’olona iray no niandohan’ny raharaha. Nandray an-tànana ny zava-misy ny olona ary fantatr’izy  ireo teo nytompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Teo ary dia natao ny fanarahan-dia, ka ny fokonolona ihany no nanatontosa an’izany. Samy nitondra izay fitaovam-piadiana teny aminy, tao ny basy ary tao koa ny famaky sy ny antsy ary ny pilotra. Tratran’izy ireo tokoa ireo voarohirohy ho jiolahy rehefa nandeha teny ny fanarahana tsy an-kiato. Teo ary dia raikitra ny fifampitifirana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ireo olona efatra voarohirohy ho nanao fandrobàna. Tao amin’ny kaominina antsoina hoe Morafeno no nitranga izany asan-jiolahy niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny samy olombelona izany. Tany anaty ala antsoina hoe Ambodigavo no sarona ireo jiolahy ary dia ady anaty akata, araka izany, no nitranga tao anatin’ny haizina. Nisy olona roa tafatsoaka tao anatin’ity raharaha ity. Naman’ireo jiolahy ihany izy ireo ary mbola karohin’ny fokonolona koa. Ny ben’ny tanàna no nanao tatitra tany amin’ny zandary izay nanao ny fijerena ifotony ireo razana taorian’izay. Ny zava-misy dia raha mbola mitohy hatrany ity tsy fandriam-pahalemana any ambanivolo ity dia ahiana mafy ny hivoaran’izany ho lasa ady an-trano. Mandray ny andraikiny ny olona ankehitriny mba ho fiarovana ny ainy sy ny fananany, ary porofon’izany ity zava-nitranga tany ambanivohitr’Ambohimahasoa ity. Noraisin’izy ireo ny basy dia izy ireo mihitsy no nanenjika ireo jiolahy ka namono azy. Tsy voafaritra ao anatin’ny tany tan-dalàna izany zava-nitranga izany, saingy kosa efa tafahoatra ny loha ankehitriny ny tsyfandriam-pahalemana, ary heverina fa rariny raha nandray andraikitra ny olona.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici