- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversBerivotra 5X5 : Lehilahy lehibe iray maty voafaokan’ny kamiao

Berivotra 5X5 : Lehilahy lehibe iray maty voafaokan’ny kamiao

Lehilahy lehibe iray no maty voafaokan’ny kamiao. Tao amin’ny fokontany sy kaominina Berivotra 5X5, distrikan’i Maevatanàna, tamin’ny lalam-pirenena fahefatra no nisehoan’ny lozam-piarakodia, ny talata 03 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora maraina. Araka ny fanazavana vaoray avy tamin’Atoa Zanelisy Armand, lehiben’ny vondron-tombim-pileovan’ny Zandarimaraiam-pirenena eto Betsiboka taminay hatrany, dia rangahy efa nahazo taona no niampita arabe tampoka ka voafaokan’ny kamiao iray, tao anaty lalana mahitsy . Raha ny fantatra dia avy niasa volamena tany an-tsaha io lehilahy lehibe io, ary andro tsena ihany koa ny tany an-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Araka ny fantatra, dia avy any avaratra io fiara io, ary handeha hianatsimo any Antananarivo. Nentina teny amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna kosa ilay rangahy, saingy namoy ny ainy rehefa tonga tao amin’ny hopitaly. Ny Zandary avy eto amin’ny borigady Maevatanàna no misahana ny fanadihadiana mikasika ity lozam-piarakodia nahafatesana olona ity. Fa ilay razana kosa efa nalain’ny fianakaviany eny amin’ny fokontany Antanambao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici